Fitokanana ny CECJ

Notokanana ny Zoma 09 Desambra 2011 ny Centre d’Ecoute et de Conseil Juridique ho an’ny VEHIVAVY ianjadian’ny herisetra  izay notarihin’Andriamatoa Bezara Romuald, Lehiben’ny Faritra Diana izay notronin’ny Solontena maharitra lefitra ny PNUD sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Ny Minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy izay soloin’ny Direction Régionale de la Population et des Affaires Sociales tena moa no tompo-marika amin’ity tetik’asa ity.

Notsipihin’ny lehiben’ny faritra BEZARA Romuald tamin’izany fa tokony havondrona ny hery hiadiana amin’ny « herisetra amin’ny endriny rehetra ».

Faritra Diana